Ry taranaka voafidy

Fiv:  Ry taranaka voafidy e
voafidin-Jagnahary e
Samia mankalaza Derao ilay mahefa
Samia manandra-peo ô
Hiventy ny hatsarany e Eh eh eh e e ia
- Derainay Ianao Andriamanitra a (val)

1- Manandratra anao aho Andriamanitra ô
    Isaorako indrindra ny anaranao ô
    Misaotra anao isan'andro isan'andro ô
    Deraiko ialandava ny anaranao ô
    Lehibe ny Tompo ary mendri-dera
    Tsy hay takarina ny halehibeny e

2- Ireo taranaka izay mifandimby e
    Samy gaga amin'ny zavatra vitanao
    Mankaiaza ny herin'ny asanao ô
    Manambara ny hatsararïny voninahitrao
    Mitantara ny asanao mahagaga
    Miventy ny fahatsiarovana anao ô

3- Tsy mba malaky tezitra ny Tompo
    Tsara amin'ny olon-drehetra ny Tompo ô
    Ny asanao rehetra midera anao ô
    Misaotra anao ny mpivavaka aminao
    Ny fanjakanao be voninahitra
    Fanjakana maharitra mandrakizay e !

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 32
Karine Dera p. 487
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1087