K'aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra

K'aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra
Toy ny nataon' ny razanareo tany Meriba
Tany Masa e;
Ny razanareo dia nitsapa ahy
Kanefa nahita ny asa vitako izy e,
Nihinana mana sy papelika
Rano tam-batolampy,  
Nalako tamin'ny tanan'i Faraôna
Mba ho mariky ny fitiavako ô,
Nomeko ny zanako lahitokana e  
Izany fitiavana faratampony e,
Ho famonjena ny olombelona
O o o o
O o o o

1 - Noho ny helokay ry Tompo ô
Maty ilay tompon'ny aina
Nàmpijaliana, nofantsihana .
Tamin'ny hazo fijaliana

Tsy naharitra tao am-pasana
Ny fatin'ny Zanak' Andriamanitra
Hateloana foana dia velona,
Ka nialoha ny mpianany tany Galilea

Aleloia e e e ia (bis)
Velogno ô ô Andriamanitra Tompon'aigny e e

2- K'aza matahotra na mangovitra,
Mitady an'i Jesoa ianareo
Lay nofantsihana tamin'ny hazofijaliana,
Efa nitsangan-ko velona izy

O ry Maria Madelenina ô,
toa very hevitra ianao
Fa nahoana re aty am-pasana,
No itadiavana ilay Tompon'ny aina

Nampiditra hery
Sokajy Samihafa
Antsao ny Tompo p. 211
Karine Dera p. 486
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092