Indro hirahiko ianao hitondra ny hafatro

1 - Indro hirahiko ianao hitondra ny hafatro
     Ho an'ny vahoaka eran'ny vazan-tany
     Ambarao azy ireo ny fitiavako
     Ataovy mpianatro ny olon-drehetra.

Homba anao hatrany ilay Fanahy Mpankahery
Hanitatra ny Fanjakan'Izy Tompo
Fa Izy no niantso sy nifidy anao
Ho tonga fanasin'ny tany tontolo

2 - Ianao no voafidy tao anatin'ny maro
     Hitondra ny Teniko eran-tany tontolo
     Nasandratry ny Fiangonana ianao
     Ho tonga mpanompo mahatoky azy ireo

3- Nantsoiko ho mpisoron'ny Avo indrindra ianao
     Nanaiky am-pitiavana ny Teniko
     Handray ny madinika, hanampy ny ory
     Tsy tonga hotompoina fa tonga hanompo.

Nampiditra hery
Sokajy Fanirahana
Antsao ny Tompo p. 124
Karine Dera p. 478
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092