Fahendrena, fahalalana onona

Fiv:  Fahendrena fahalalana onona
No aoka ho tafinareo
Fitiavana sy vavaka
No aina hivelomanareo

1 - Izaho Piera Apostoly
Apostolin'i Jesoa
No manentana manafatra
Ianareo izay mino Azy
Any Ponto sy Gaiasia
Kapadaosy sy Azia
Fa voafidin'Andriamanitra Ianareo

2- Efa akaiky ny fotoana
Koa samia mihaino tsara
Mba manàna fahendrena
Ary mba mahonon-tena
Miezaha mifankatia
Fa izay manana fitiavana
Mahasasa fahotana.
 

Nampiditra hery
Sokajy Samihafa
Antsao ny Tompo p. 71
Karine Dera p. 473
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092