Mandehàna amin'ny fitiavan'i Kristy

Fiv: Mandehàna amin'ny fitiavan'i Kristy e ia
Mba ho sorona manitry e hamonjy antsika e ia
Mandehàna amin'ny fitiavana (hamonjy antsika e ia)

1 - Tsy antsika no tia ndRagnahary e e
Fa Izy no tia antsika taloha
Tiavo ny Tompoko ndRagnahary e
Mitiava namana karaha aininao

2-        I Jesoa nanolotra ny ainy ho antsika e e
Ho famantarana ny tena fitiavana
Antsika koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika e
Ho an'ireo tapaka sy namantsika.

3-        Mifankatiava koa ianarô jiaby e e
Mirana nitiavako anarô
Ekentsika fa i Jesoa no zanakan-dRagnahary
Ilay dRagnaharin'ny fitiavana

4-        Aza mba misy mivolana am-bava fotsiny
Fa mitiava amin'ny asa ndraiky amin'ny fahamarinana
Azy araiky fo voninahitra ndraiky dera
Dera tsy miova omaly sy niany é andraka mandrakizay.

Nampiditra hery
Karine Dera p. 472
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761