Nantsoinao izahay, ry Tompo

Nantsoinao izahay ry Tompo
Hiara-miasa aminao sy ny Ray
Nefa izahay tsy nanaraka ny fahamendrehanao
Mamindrà fo aminay

Tompo ô, Mamindrà fo aminay

Mbola taranakao izahay ry Kristy,
Noho ny fitiavanao anay
Nefa tsy noheverinay izany
Noho ny fitiavan-tenanay,
Mamindrà fo aminay

Kristy ô, Mamindrà fo aminay

Nantsoinao izahay ry Tompo,
Hitondra ireo hafatrao,
Nefa tsy notanterahinay izany,
Mamindrà fo aminay

Tompo ô, Mamindrà fo aminay

Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 220
Karine Dera p. 468
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087