Tianay ny Tenin'ny Tompo, tianarĂ´ lahaby

Fiv:  Tianarô lahaby e ia ny tenin'ny Tompo ?
Tianay, ankatoavinay, tanterahinay
Amin'ny fiainanay e e
Ny tenin'ny Tompo.

Aleloia e e aleloia a a aleloia e e ia

1 - Mahery ny tenin'ny Tompo
Teny maharitra mandrakizay
Masiny ny tenin'ny Tompo
Mankamasiny antsika rehetra.

2- Fiainana e ny tenin'ny Tompo
Mahavelono ny olo jiaby
Manoro antsika ny lala-marina
Manambara izay mety hatao.

3- Tsara e ny tenin'ny Tompo
Ampianaro amin'ny tany rehetra
Niantso ny olona erantany
Hanatona ilay Nahary.

4- Manôme hery ny mino azy
Mampino izay tsy mino
Milaza e ny fiadanana
Mitso-drano ny ôlo jiaby.

5- Manafaka vahoaka amin'ny fangejana
Manala amin'ny ratsy rehetra
Manala amin'ny haizin'ny fahotana
Manôme aim-baovao.

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 272
Karine Dera p. 455
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0969