Amin'izao andro farany izao

Amin'izao andro farany izao
dia i Jesoa Zanak'Andriamanitra mihitsy e
no Teniny ho antsika,
ary ny Fanahiny izay ao anatintsika e
no manambara fa zanak'Andriamanitra isika 
Aleloia

1. Ianareo, ry olomasina, 
Mihirà hafaliana ho an'ny Tompo!
Amin'izay mihitsy fo
Fiderana no fanao sahaza indrindra ô!
Koa misaora an'Izy Tompo amin'ny harpa ianareo ô,
Dia tendreo ny valiha torifolo mba Azy!

2. Miventesa hira ho Azy,
Tononkira vao no redony!
Am-pahaizana tokoa
No anaraho ny horakora-pifaliana
Fa mahitsy dia mahitsy 'zany Tenin'Izy Tompo ô,
Ara-drariny avoko araha ny asany rehetra!

3. Eny, sitrany sy teliny,
Ny fahamarinana aman-drariny sy hitsiny,
Moa ny tany koa voarakotra
Ny hatsaram-panahin'Izy Tompo
Fa ny lanitra no vita sy tontosa dia ny Teniny e,
Mbamin'ny kintana rehetra dia ny Fanahy Fofon'Ainy.

4. Ary ireo ranomasina,
Dia nalainy mba hiangona ho iray:
Io tokoa ny ranomasina
Fa nataony amin'ny fitehirizana azy e...
Mba hanerana ny tany anie ny tahotra ny Tompo ô
Sy hangovitra anatrehany ny mponina eran-tany!

5. Izay lazainy: io fa vita;
Izay didiany; indro tafajoro!
Ho potehin'Izy Tompo
Ireo tetikadim-pirenena maro ô,
Izay kasain'ny vahoaka dia ho foanany tsy hisy e.
Ny fandaharan'Izy Tompo dia mitoetra ho doria.

6. Ny hevitra ao am-pony
Dia maharitra amin'ny taona mifandimby.
Sambatra e ireo vahoaka
Izay manao an'Izy Tompo ho Andriamanitra ô,
Ary sambatra tokoa ny vahoaka nofidiny e,
Sambatra e ny firenena nofidny ho lovany.

7. Eny an-danitra ny Tompo,
No mitazana , mahita ny olombelona,
Any an-toernay any Izy e
No mandinika ny mponina eran-tany e,
Dia Izy ilay mamorona ny fon'ny tsirairay e,
Sy mahalala ny fihetsika aman'asan'izy ireo.

8. Fa ny vonjin'ny mpanjaka
Dia tsy ao amin'ny tafiny mihitsy e.
Ny fandresen'ny mpiady e
Dia tsy ao amin'ny heriny mihitsy e.
Nofinofy raha soavaly no atao ho fandresena ô,
Tsy hahazoana famonjena izay antoko-miaramila!

9. Fa ny mason'Izy Tompo e,
Mifantoka amin'izay matahotra Azy,
Sy mitsinjo ihany koa
An'ireo 'zay manantena ny fitiavany e,
Mba hanafaka azy ireo amin'ny herin'ny fahafatesana,
Sy hamelona azy koa amin'ny andro mosarena!

10. Ao amin'ny Tompo ny ainay:
Izy manko no andrinay, ampinganay,
Ifalian'ny fonay!
Ny anara-masiny no tokinay e!
Ny fitiavanao anie hambomba anay, ry Tompo ô,
Araka ny fitokianay miompana aminao!


 

Nampiditra hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163