Didy vaovao no omeko anarô

Fiv. : Didy vaovao no omeko anarô ô ô
    Didy masina tsy lany hanitry e
    Mifankatiava anarô ô ô
    Karaha nitiavako anarô ô

1. Fihavanana nentin-drazana
Nohavaozina sy nohamasininy e
Mifanaraka tsara amin'ny didy tokana e
Mifankatiava anarô ô

2.    Antsika olombelona ô
Nohariana hifampiankina e
Hifamela sy hifanôhana e e
Fa samy zanak'Andriamanitra a

3.    Antsika mianakavy e
Iray aina sy iray vatana
Nohariana mba hifankatia
Fa samy mpianatry Jesoa Tompo ô

Nampiditra hery
Karine Dera p. 446
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069