Indreto izahay lahika

Hira fanevan'ny Fankalazana ny andron'ny Lahika - Ambositra 2019

1-Indreto izahay lahika Ray Masina ô
Vonona ny handray andraikitra sy matotra e
Hanohy ny asam-pamonjena eo amin’ny Fiangonana
Hahazo hery ao am-ponay ,handray ny teninao

Be fitiavana Ianao ry Ray ô,
Nirahinao ny Zanakao hampianatra anay e
Misaotra e ! mankasitraka e !
Misaotra e ! mankatelina e !
Vonona izahay hanohy ny asanao

2-Tsy mitsahatra miantso Ianao, ry Ray ô
Miantso anay lahika mba hiombona Aminao e
Hanamafy hatrany hatrany ny fiombonana
Sy manentana ny vahoaka hiara-hiasa                                                               

3-Ny fahasoavanao anie no homba anay e
Miaraka amin’ireo mpisorona voatokanao e
Vonona hanolo-tena ho an’i Kristy e
Ka tsy hivadika amin’ny toky izay natao

Nampiditra hery
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088