Fahanonarô ny vahoaka

Fiv.: Fahanonarô ny vahoaka e ia,
Amia haniny tsao ho azomafo o
Vahoaka mamin'ny Raiko o
Tsy foeko ho maty mosary

1.    Abonosa mody izy ireo
Fa tany efitra ny eto ô,
Handeha hitady sakafo
Fa tsisy raha efantsika

2.    Atsika no hiantoka azy
Lazao izay anagnanarô
Mofo dimy sy laoko aroe
Tsy ampy besinimaro

3.    Alamina tsara ny ôlo
Tantano izay kely misy
Ka zarazarao hahavoky
Ho sahaza ny besinimaro

4-    Nipetraka ny ôlo jiaby
Ny lehilahy fô dimy arivo
Fa nino ireo apostôly
Ka nizarazara sakafo.

5-    Mofo dimy sy laoko aroe
Ny ôlo analiny maro
Dia vôky sy nanankera
Sobiky folo aroe amby.

6-    Mpaminany mahagaga
Efa navy amintsika
Hatsangantsika ho mpanjaka
Mba tsy hisy ho lany mofo.

7-    I Jesoa no mpaminany e
Niakatra any amin-drainy e
Ny nofony sy ny rany e
No sakafom-panjakany e

8-    Ny Eokaristia no ainy e
Amiany ho sakafontsika e !
Sakafo avy amin'ny Rainy e
Ho sahaza ny besinimaro ô ô

9-    Ny fifankatiavantsika
No vokatr'ity sakafo ô
Ka hamantaran'olo antsika
Hampiray ny besinimaro ô !

10-    I Jesoa no fototr'ainy e
Fanahiny amiany antsika !
Atsika velomin-drainy e
Mampiray ny besinimaro ô !

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 344
Karine Dera p. 442
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071