Fa Andriamanitra nanangana azy

Fa Andriamanitra nanangana Azy
Ho velona, velona
Velona avy tany amin'ny maty ô, ô, ô
Aleloia a.

1- Ry mpiray firenena amiko
Ry taranak'i Abrahama
Ianareo matahotra an'Andriamanitra
Ianareo vory etoana

2- Ho antsika indrindra indrindra
No nampitondrana
Izao teny izao Teny famonjena

3- Ry zareo tao Jerosalema
Tsy mahalala an'i Jesoa
Ka to ny tenin'ny mpaminany
Tamin'ny nanamelohan'azy ho faty.

4- Na dia tsy mba hitany aza
Izay tokony hanamelohana azy
Dia nangatahiny hovonoina
Tamin'ingahy Pilaty

5- Fa Andriamanitra kosa indray nanangana azy
Ho velona, ho velona, ho velona
Avy tany amin'ny maty.

6- Ary Izy dia niseho
Nandritra andrô maromaro
Tamin'izay niara niakatra aminy
Avy tany Galilea ho any Jerosalema.

7- Ireo no vavolombelona Nanambara
Azy ankehitriny Zahay koa mitory aminareo
Zao vaovao mahafaly izao

8- Zay fampanantenana
Nomena an'ireo razantsika
Nontanterahin'Andriamanitra
Tamintsika taranak'izy ireo.

9-    Fa indro ankehitriny
Izy nanangana an'i Jesoa
Ho velona, ho velona, ho velona
Fa izany no voalazan'ny Soratra Masina.

Nampiditra hery
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 207
Karine Dera p. 438
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369