Amianay anao Zagnahary ambony indrindra ny voninahitra

Amianay Anao Zagnahary
Ambony indrindra
Ny voninahitra
Ary fiadanana anie e !
Ho an'ny olona namindranao fo

1- Midera Anao izahay,
mankalaza Anao izahay
Mitsaoka Anao izahay,
mihoby ny hasinao izahay
Misaotra Anao izahay,
noho ny haben'ny voninahitrao
Ry Tompo Andriamanitra,
Mpanjakan'ny lanitra
Voninahitra e (2) ho an'Andriamanitra.

2- Ry Jesoa Kristy Tompo
Zanak'Andriamanitra
Tompo Zanak'Ondrin'Andriamanitra
Zanaky ny Ray.

Manala ny fahotana jiaby
Mamindrà fo aminay
Raisonareo ny fifonanay
Ianao Ray, Zoky Mpamindra fo
Voninahitra, voninahitra
Voninahitra ho an'Andriamanitra

Anao araiky no masina, voninahitra
Anao araiky no Tompo, voninahitra
Anao araiky no avo indrindra
Miaraka amin'ny Fanahy Masina
amin'ny Voninahitr'Andriamanitra Ray. Amen.

Nampiditra hery
Karine Dera p. 437
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0591