Ry Neny Fireneko

1. Jereo ny akanjonao toa voronkitsay
    dia izao ve no fitafy nomena anao, ry Neny ô
    sanatria mivarilavo, misotro ny hanadino,
    tsy mahatsiaro zo sy hasina maha-olona...

2. Jereo ny ankizy fa mahonena:
    isan'andro tsy kitay, tsy varimaina, ry Neny ô,
    sanatria zaza sary, tsy manan-dray mpiahy:
    ny ho avy tsy hay banjnina, fa ny anio ihany.

   Mitsangàna ianao, ô ry Neny Fireneko!
   mitsangàna ianao, meteza moa hareniko.
   Amboary ny bikanao, diovy ny lambanao.
   etsy ho bangoiko ny volo misarakorako.
   Fa nahoana ianao no efa vokoka sahady?
   Tsy mahatanty ve, sa noresena-lazon'ady?
   Andao, alao hery, miarena ianao, ry Neny,
   Ndreo ny sandriko hianteheranao,
   ry Neny ô, Fireneko, Neny ô!

3. Fahiny fahagola, niadana isika:
   Soa iombonana no masoandro nifaliana, ry Neny ô!
   Nidirana angano ny tokantranontsika:
   Fandrobana no manjaka sy fitiavan-tena.

4. Mifohaza, ry Neny, sao ilaozan'ny toetrandro!
   Havaozy ny hery anatin'ny hatanorana, ry Neny ô!
   Ivereno dieny izao ilay endrikao fahiny:
   "Andriambavy sahisahy": filamatr'ireo zanany!

 

   


   

Nampiditra hery
Sokajy Fanolorana
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238