Mba ho vita ihany ve ?

Mba ho vita ihany ve ?

1. Mba ho vita ihany ve, ‘ty adidy lehibe,
‘Zay napetraky ny Tompo Jesoa ?
Ny havoana izay aleha, lohasaha mangina e.
Tany maro izay manerana ny Nosy

Ô ry Jesoa (ry Jesoa), ô avia (ô avia),
Ka meteza re ianao, mba hitantana ny dia
Tsy izahay e (Tsy ‘zahay e), no misafdiy (misafidy)
Fa ianao maniraka no mandidy !

2. Tsy havelanay tokoa, ianao ry Jesoa ô
Raha tsy momba sy mitahy anay,
Votsa vava izahay, kely hery, tsy mahay,
Ny Fanahy Masina homba anay.

 

Nampiditra Rakparfait
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 825
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087