Izaho kosa haneho aminao ny finoako

Izaho kosa haneho aminao ny finoako

1. Izaho kosa haneho aminao ny finoako
Amin’ny asako, amin’izay rehetra ataoko
Tsy menatra aho hitory hanambara aminao
Fa fanasin’ny tany hanamasina ny fiangonana
Fa irak’i kristy, vavolombelony
Hampanjaka ny fahamarinany

Dia asehoy : amin’ny asa e !
Ny finoanao : aza matahotra e
Dia asehoy fa ny finoana no hahavonjy anao

2. Minoa fa aina sy famnjena ny vavaka
Raiso i Jesoa raha te ho sambatra
Ijoroy ny finoana ary asehoy amin’ny asa e
Sahia mitory hanambara ny marina amin’izay atao
Fa ekipa voafidiny, hitory ny teniny ianao
Hampanjaka ny fahamarinany

 

Nampiditra Rakparfait
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 822
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0671