Andriamanitra ô ! Ny hadisoako ifonako

Andriamanitra ô ! Ny hadisoako

Andriamanitra ô ! Andriamanitra ô !
Ny hadisoako, ifonako !

1-Teto aminay ianao, nanolotra anay famonjena ;
Nefa izahay tsy nandray, miaiky heloka, Tompo ô !

2-Teto aminay ianao, nampianatra anay ny marina ;
Nefa izahay tsy nandray, miaiky heloka, Tompo ô !

3-Niakatra an-danitra ianao, nandefa anay ny Fanahy ;
Nefa izahay tsy nandray, miaiky heloka, Tompo ô !

Nampiditra Rakparfait
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 809
Fihirana Vaovao p. 184
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092