Andriamanitra ô

Andriamanitra ô

1-Andriamanitra ô
Ray sy Zanaka sy Fanahy.
Mitsaoka anao izahay
Manome voninahitra.
Ianao no masina
Iankohofana ;
Ianao no Avo indrindra,
Tsy hay takarina.
Ka derainay ianao, ry Ray :
Ry loharano velona
Mamelombelona
Ny olombelona
‘Zay arin-tananao ;
Ry Jesoa Zoky
‘Lay mahatoky,
Ka mahavoky
Ny teny sy tenanao.
Ianao, ry Fanahy
Ankatoavinay
Fa tia anao ‘zahay.

2-Andriamanitra ô
Ray sy Zanaka sy Fanahy.
Misaotra anao izahay
Feno fankasitrahana.
Ianao no marina
Tsy mba mamitaka ;
Ianao no tsara indrindra
Sy fanaperana.
Koa mihoby anao ‘zahay :
Fototry ny hafaliana
Mahafa-diana,
Tsy misy kiana
Ny fitiavanao
Ny fonay ravo
Na mavomavo
Mikendry ny avo,
Eny hatramin’izao ;
Satria efa mino,
Satria manantena,
Satria tia anao.

Nampiditra Rakparfait
Fihirana Hasina p. 807
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241