Andriamanitra anie dia fitiavana

Andriamanitra anie dia fitiavana

Andriamanitra anie dia fitiavana e, Fianakaviana
Ray aman-dreny sy Zanaka, Fianakaviana
Ao amain’ny fihavanana, dia ny Fanahy Masina

1-Andriamanitra tokana ihany
Kanefa olona telo :
Ny Ray ny Zanaka,
Ny Fanahy Masina (indroa)

2-Isika olombelona avondrony
Ao amin’ny Zanany  tokana :
Ao aminy no tiaviany,
Ao e no ho zanany. (indroa)

3-Ny fianakaviana eto an-tany,
Ho fitiavana toraka izany :
Ho iray, hifamelona,
Dia hifampitantana. (indroa)

4-Ray aman-dreny sy Zanaka
Tambazako izay mahafoy :
Andriamanitra sy Fiangonana
Tsy mifankafoy (indroa)

5-Tsy mitsahatra miasa Andriamanitra
Hamelona antsika ankohonany.
Aoka isika mba hiasa
Sy hahafoy ny aina. (indroa)

Nampiditra Rakparfait
Fihirana Hasina p. 808
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332