Tsy anarô no nifidy 'zaho

Tsy anarô no nifidy 'zaho,
Fa Izaho no nifidy anarô
Ka nanendry anarô, mba handehananarô
Ka hahavokaranarô,
Ary haharetan'ny vokatranarô
Ary haharetan'ny vokatranarô

Mahay 'zaho Anao Tompo !

1. Mandiniky 'zaho Anao Zanahary
    Mahafantatra 'zaho mariny Anao
    Ny fitsanganako, ny fipetrahako
    Efa fantatrao tsarabe
    Tsinjovinao, ny hevitrinaha
    Na mbola lavitry any aby 'zaha.

2. Na mandeha 'zaha na mandry
    Tsapanao aby ny momba 'zaha
    Efa raha mahazatra Anao
    Izay mba lalana jiaby fiomboako
    Tsendriky tonga am-bavanaha
    Izay raha volaniko efa hainao.

3. Na avy aloha na avy afara
    Anao manodidina 'zaha
    Ny tànanao, tana-mahery
    Apetrakao eo aminaha
    Mahagaga 'zaha ny fahaizanao
    Ambony lavitra tsy haiko takariny

4. Aiza hialako ny Fanahinao
    Aiza hilifasako ny soranao
    Magnaniky lavitry 'zaha : any Anao.
    Any amy maty : mbola hitanao
    Honina am-paran'ny ranomasiny
    Mbola tànanao no mitantana 'zaha

5. Na aizim-pito na andrô aliny
    Mody mazava eo Aminao
    Ianao tatô no namôron'zaha
    Letry 'zaha tambotraky ny reniko
    Mahagaga 'zaho ny asanao
    Ka fankatelemana no ataoko Aminao.

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 129
Fihirana Hasina p. 839
Karine Dera p. 429
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2204