Mpanompoko ianao

1- Ianao dia mpanompoko
Nofidiko sady sitrako
Efa nomeko ny fanahy
Koa meteza mba hirahina

2- Ndeha hirahiko hiantso
Handefa feo malefadefaka
No sady hanana fo antra
Eo imason'ny vahoakako

3- Dia ilazao izy ireo
Hiaina anaty faharetana
Fa ny rariny sy ny hitsiny
No hifehezana ny misy

4- Izaho Tompo sy Andriamanitra
Izay nampisy ny tsy nisy
No mpanome taon-jina
Sy fofon'aina ho an'ny velona

5- Izaho Tompo sy Andriamanitra
Manolo-tanana aminao
Sy manendry anao ho iraka
Ho fahazavana hampihavana

6- Hampahiratra ny jamba
Hanafaka ny ampahoriana
Hanala ny ao anaty haizina
Ireo vahoaka notiavinao

7- Andriamanitra mahery aho
Ambony noho ireo sampy
Saro-piaro amin'ny anarako
Nefa nifidy anao hirahina

8- Efa lasa ny fahiny
Ka vaovao no ambarako
Ampitao sy torio
Dieny mbola tsy mitranga

9- Manaova hobin-kafaliana
Hanakoako eran-tany
Hatrany an-dafin-dranomasina
Ho fiderana ny anarako

10- izay maniry sy mandrobona
Ny manan'aina manontolo
Ny mponina eran-tany
No aoka hientan-karavoana

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 125
Karine Dera p. 408
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009