Andriamanitra ô, sitrako ny mankalaza Anao

Andriamanitra o, sitrako ny mankalaza Anao
Andriamanitra o, faly ny foko midera Anao, o ia!

1 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Mba lehibe ny voninahitrao!
     Ny Anaranao malaza eran-tany
     Tsy hay lazaina ny fiandriananao!

2 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Ny vavan-jaza sy ny mbola minono
     Nomenao hery handresy fahavalo
     Hampangina ny rafy mpanevateva.

3 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Raha banjiniko ny ao an-danitrao
     Ny volana aman-kintana asanao
     Dia tsapako fa tsinontsinona aho!

4 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Mba zinona ny zanak'olombelona
     No tsaroanao sy karakarainao?
     Saika nataonao mitovy Zanahary!

5 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Nasandratrao ny zanak'olombelona
     Nizaranao ny voninahitrao
     Manana anjara amin'ny fahandriananao
     Nampanjakainao amin'ny asanao

6 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Nampakarinao ny zanak'olombelona
     Napetrakao eo an-tongony ny zaka jiaby
     Ny omby aman'ondry mbamin'ny bibidia
     Ny voro-manidina sy trondron-dranomasina

7 - Ry Andriamanitra Andriananahary (bis)
     Mba be voninahitra loatra ny anaranao
     Mameno ny tany ny haja sy lazanao
     Ka fo falifaly no enti-midera Anao.

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 98
Fihirana Hasina p. 835
Karine Dera p. 407
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249