Aleloia, Teny mahery sy Teny Masiny

Fiv:  Aleloia e e e, Aleloia e e e
Teny mahery sy Teny Masiny e
Teninao Zanahary e, Aleloia ( in-2 )

1 - Zahay mino ny Teninao Zanahary
Teny mahavita ny raha maro zeny e
Tsisy raha tsy vitan'ny Teninao Zanahary
Raha tsisy jiaby nanjary nisy e ia.

2- Teninao namorono habakabaka jiaby  
Masoandro amam-bolana, kintana aman'alina maro
Ranomasina miaraka biby jiaby amin'azy
Manambara fa mahery Teninao o o o ia.

3- Teninao nampisy ny hafanana sy nintsy
Ary ny rano izay iainana sy mamelona antsika e
Ala maitso 'ndraiky tanety jiaby izay hitantsika e
Na ny biby izay mameno ny tany e ia.

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 259
Karine Dera p. 405
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841