Fanaka nofidiko

Fanaka nofidiko ho Ahy ianareo, 
Mba hitondra ny Anarako amin’izao tontolo izao, 
‘Zao tontolotsika izao mangetaheta Fitiavana, 
Dia faniriana ny ho tia sy hahalala, hahalala an’Andriamanitra. 
Andao re ianao amin’ny asam-panafahana, 
Halalan’ny zanak’olombelona, Fa Fitiavana Andriamanitra. 
Voninahitr’Andriamanitra, Trinité Masina, 
Raha mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Fitiavana Andriamanitra. 

1. Faly tokoa fa Fitiavana Aho ny hiantso anao, 
Raha toa ka raisinao ho anao ny lalana nizorako teto an-tany. 
Ranomason’ireo zanako helohina, gadraina, tsy tsaraina koa. 
Fantatro ka hiantsoako anao, mba hitory fahafahana (in-2). 


2. Hoenjehina ho vonoina aza ianareo, fa mitory ny ataoko 
Aza atao hampihemotra izany anefa, tsy ianareo no miady. 
Ny Fanahiko ihany no hiteny, hankahery anareo, 
Handresenareo lahatra ny mpanjakan’izao tontolo izao. 


3. Ampy izay efa natao hoe : faraidiny, 
Tsy nandre na oviana na oviana anao, izany teny hoe : “Fitiavana”
Lazao azy ireo amin’ny teninao, indrindra amin’ny fiainanao. 
Fa mitondra azy ireo ny Ray, mitondra azy ireo am-po (x2) 


4. Raisiko ho ahy anie, ry Ray, izany antsonao, 
Matoky aho fa Ianao no hitondra ahy amin’ny lalana hizorako. 
Ka ny fanjakan’ny tahotra amin’ny maizina tsy hampihemotra ahy, 
Hanarahako an’i Jesoa Mpanavotra ahy, ho antom-pahafahana (x2) 

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169