Nanirahanao an-Janakao

Nanirahanao an-Janakao
Nanirahanao an-Janakao, 
Hanadio ny ota nataonay, 
Ka tsy navelanao hisaraka Anao, reto olonao. 
Tompo ô, mifona sy mvalo e, ka raisonao. 
Tompo ô, mamindrà fo aminay. (in-2) 


Tonga hiantso ny mpanota Ianao, 
Ry Kristy ilay Mpamonjy soa, 
Mba tsy hisy izay hanalavitra Anao, ‘reto olonao. 
Kristy ô, topazo maso miantra e, ka raisonao 
Kristy ô, mamindrà fo aminay. (in-2) 


Fantatrao fa osa sy malemy, 
Mora manalavitra tokoa Anao, 
Kanefa dia mba miezaka isan’andro, ‘reto olonao. 
Tompo, fa tsy hanota intsony e, ka raisonao. 
Tompo ô, mamindrà fo aminay. (in-2) 

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121