Tanora ankaherezin'ny Fanahy Masina

HIRA FANEVAN’NY JMJ MADA VI - Toliara 2009

Indro hankahery fatratra anareo
Ny Fanahy Masina halefako ho anareo,
Hitory ahy hatrany am-paravazan-tany.
Andeha ianao ka mahereza hatrany

Tanora ankaherizin’ny Fanahy Masina.
(Izaho, ianao, isika izao : andao)

Fanilon’ny Fitiavana eo amin’izao tontolo izao.
(Tanora ô, ho fahazavana ianao)
Tanora hampihavana ny olona rehetra,
Ao amin’ny Eokaristia : dia Jesoa Kristy.

“Efako ny zavatra rehetra
Miaraka amin’ilay mankahery ahy”
Indrindra moa fa eo i Masina Maria,
Ilay Reny tia sy tsy mahafoy ahy.

“Ho any amin’iza moa izahay Jesoa?
Ao aminao ny fiainana mandrakizay”
Indreto izahay tanoranao :
Hitondra ny olon-drehetra ao aminao.

Nampiditra louvamifaly1
Fihirana Hasina p. 811
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095