'Lay Andriamanitra nanetry tena - JMJ-Antananarivo 29 Ambohimiadana

Faneva JMJ faha-29 Ambohimiadana
"Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra" (Mt 5,3)

1- 'Lay Andriamanitra nanetry tena
No ohatra velona ho anao
Manasa anao hiaina ny fiainana natolony
Sahia manapa-kevitra hilaza hoe: eny re
Sokafy ny fonao hanohitra ny fahazara-mamitaka
Dia tena hisy dikany ny fahatanoranao.

Ndao ry tanoran'ny fiangonana
Sahia mifidy ny hasambarana
Dia i Jesoa mahantra ilay nilaza hoe:
Sambatra anie ny mahantra am-panahy
Fa ho azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.


2- Tandremo fa tsy ny mahantra ara-nofo
Araka izay hitanao no sambatra
Fa io toerana io indrindra kosa
No hampitodika antsika hiantso ny Ray
Izy anie manafaka e
Ary ny fiantorahanao aminy tsy misy fitaka re
No tena hafalian'ny fanjakan'ny lanitra

3- Meteza ho olona tsy voagejan'ny vola
Sy ny haren'ny tany
Tiavo re ireo mahantra notiaviny
Ary ny fiainana ny fahantrana no raiso
Mba ho mpanabe: eny re
Fa io no manitsy izay matoky tena hanao an'i Jesoa
'lay mpizara hafaliana sy fahafahana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0923