Fanevan'ny F.A.KA (Fiombonan'ny Ankizy Katolika)

1- Ankizy maro no mivondrona
Diosezy samy hafa no nanorina
Tsy manavaka tokoa na lahy na vavy
Fa iray ihany toy ny mpianakavy

Fampianarana isan-karazany, lalao maro mahavariana
Torohevitra ihany koa raha misy ny hakiviana
Taniketsa katôlika, vovonana hafa indrindra
Ireo zoky mpanabe no mpandamina mpandrindra

2- Samy hafa fikambanana izahay
Dia natambatr'Andriamanitra ho iray
Tsy mitovy fihaviana ihany koa
Fa iray noho ny finoana an'i Jesoa
Ny Evanjely no teny tena mampiombona
Anay taniketsan'ny Fiangonana

3- Dia tezaina sy beazina ara-panahy
Ho taniketsa katôlika tena sahy
Na fikambanana na vaomieran'asa koa
Vovonan'ny ankizy vonona hifanasoa
 

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172