Voninahitra ho an’Andriamanitra (P. Matthieu)

Voninahitra ho an’Andriamanitra
Fiadanana ho an’ny olona ety an-tany ety
Fa / nanehoany ny hatsaram-pony isika
Voninahitra any amin’ny avo indrindra

1.- Midera Anao ‘zahay - Mankalaza Anao Tompo ô ia,
     Mitsaoka Anao ‘zahay, - Mihoby ny hasinao ‘zahay e ia !
     Misaotra noho ny haben’ Ny voninahitrao Tompo ô ia,
     Ry Tompo Andriamanitra, - Ray mahefa babanay e ia !
 
2.- Ry Jesoa Tomponay, - Amianay voninahitra e e ia,
     Zanaka lahitokan’ny Ray, - Amianay voninahitra e e ia,
     Tompo zanak’ondrin’Andriamanitra, - Amianay voninahitra e e ia,
     Ianao ‘lay Zanaky ny Ray - Amianay voninahitra e e ia,

3.- Manala ny fahotan’izao tontolo izao - Mamindrà fo aminay e ia
     Manala ny fahotan’izao tontolo izao - Raiso ny fifonanay e ia
     Mipetraka eo an-kavanan’izy Ray - Mamindrà fo aminay e ia
     Mipetraka eo an-kavanan’izy Ray – Raiso ny fifonanay e ia

4.- Ianao irery no masina - Ianao irery no Tomponay e ia,
     Miaraka amin’ny Fanahy Masina – Mba ho voninahitr’izy Ray e ia !
     Ianao irery no masina - Ianao irery no Tomponay e ia,
     Miaraka amin’ny Fanahy Masina - Mba ho voninahitr’izy Ray e ia !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113