Fitiavana Andriamanitra - Koa ny ahafantarantsika

1. Koa ny ahafantarantsika fa ao aminy àry isika
Ary Izy monina ao amintsika

2. Dia izao: ny nanomezany antsika ny Fanahiny
Izahay vavolombelona nahita;

Fitiavana Andriamanitra

3. Manambara fa ny Ray dia naniraka ny Zanany
Ho Mpamonjy an'izao tontolo izao

Fitiavana Andriamanitra

4. Izay miaiky fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra
Dia monina ao aminy Andriamanitra

5. Ary izay monina ao amin'Andriamanitra
Eny, monina ao amin'Andriamanitra

6. Izahay dia nahafantatra ary nino ny fitiavana
Izay ao amin'Andriamnitra ho antsika.

Fitiavana Andriamanitra

7. Ka ny olona izay monina ao amin'ny fitiavana
Dia monina ao amin'Andriamanitra

8. Ary Izy Andriamanitra dia monina ao aminy
Andriamanitra, eny e, dia fitiavana!

Fitavana Andriamanitra

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088