Aleloia, Ekenay ny Teninao ry Tompo

Oa, Aleloia e, aleloia (2)
Oa, Aleloia, aleloia, aleloia (2)

1.- Ekenay ny Teninao ry Tompo, Aleloia !
     Inoanay amin’ny fonay, Aleloia !
     Tohananay amin’ny herinay, Aleloia !
     Ho dinihinay ny hevitr(a) izany e, Aleloia !
     Ambaranay amin’olo jiaby e ! Aleloia !
     Mba ho tonga aigny amin-dry zareo ô ! Aleloia ! 
     Aleloia a a ! Aleloia e (2)

2.- Henoinay amy vatanay ! Aleloia !
     Iainanay amy fiainanay e ! Aleloia !
     Torinay am-pahamalinana ! Aleloia
     Hianaranay ny hevitr(a) izany e ! Aleloia !
     Ampianarinay amin’olo jiaby e ! Aleloia !
     Mba ho tonga hery amin-dry zareo ô ! Aleloia !
     Aleloia a a ! Aleloia (2)

3.- Hohaninay ny teny mahavelona, Aleloia !
     Iresahanay ny tenin-Janahary, Aleloia !
     Atelinay ny teny maminao, Aleloia !
     Hamasininay ny hevitr(a) izany e, Aleloia !
     Porofoinay amin’olo jiaby e ! Aleloia !
     Mba ho tonga vonjy amin-dry zareo ô ! Aleloia ! 
     Aleloia a a ! Aleloia e (2)

4.- Hirainay ny tenin’ilay masina ! Aleloia !
     Ivavahanay, ifantohanay ! Aleloia !
     Hovoasanay amy zanakao ! Aleloia
     Hovetsoinay amin’olo jiaby e ! Aleloia !
     Mba ho hafaliana amin-dry zareo ô ! Aleloia !
     Ry zareo no mibaby ny vokany e ! Aleloia !
     Aleloia a a ! Aleloia (2)

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086