Injay fa miantso ahy, ny feon’ny fitiavana

Injay fa miantso ahy, ny feon’ny fitiavana
Manohina ny fiainako, ka tsy azoko handosirana
Mahery vaika mantsy
ka tsy azo hampanginina ary tsy azoko handosirana
Ny feon’ny fitiavana naniraka ny Zanany
ho fiainana arahina
Koa raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako.(2)

1.- Mba tsofy rano tsara re, ry Dada sy ry Neny
     Ny zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy
     Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho
     Handefa tonom-bavaka.
               Mba tsofy rano tsara re, ity mpivahiny ity e !
               Fa lavitra ny lalana
               ka mila ny tsodrano aho hanambina ny diako

2.- Mba tsofy rano tsara re, ry Zoky sy ry Zandry
     Ity havana hiainga mba hiatrika ny adidy
     Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho
     Handefa tonom-bavaka.
               Mba tsofy rano tsara re, ity mpivahiny ity e !
               Fa lavitra ny lalana
               ka mila ny tsodrano aho hanambina ny diako

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 595
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089