Tompo ô, tsy hagnano/hañano/hanano eky

1.- Mitodiky Aminao izahay, Zanahary Babanay
Ianao ilay Baba mpamindra fo,
Natôkiñy taminao é ! nandika ny didinao e !
Nandaba ny sôfiñay, tamin’ny hafatrao.
Tompo ô, tsy hañano eky e !
Tompo ô, teña maneñiñy e !
Ireny hadalaña ry Tompo ô, ifonanay !
Tompo ô, mamindrà fo aminay.

2.- Mitsôtro aminao, ‘zahay Kristy ô !
Ianao Kristy Zokinay,
Ilay didim-pitiavanao é, nataonay an-kilabao e !
Nahilikilikay ny madiniky e !
Kristy ô, tsy hañano eky e !
Kristy ô, teña maneñiñy e !
Ireny hadalaña ry Kristy ô, ifonanay !
Kristy ô, mamindrà fo aminay.

3.- Tsorinay aminao, ry Fanahy Masina ô !
Ianao ilay Fanahy Mpankahery,
Fa teña maneñiny e ! Tamin’ireny hadalaña jiaby,
Kay maso voa sakay, ny afara tandremaña.
Tompo ô, tsy hañano eky e !
Tompo ô, teña maneñiñy e !
Ireny hadalaña ry Tompo ô, ifonanay !
Tompo ô, mamindrà fo aminay.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 228
Fihirana Hasina p. 831
Karine Dera p. 497
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0806