Be ny fitiavanao zahay

Anao Andriamanitra Babanay e, zay nahary an'izao tontolo
Iainan'ny manana aina: maharavo zahay
Kay navy zahay e, hampiseho ny hafaliana
Amy zaka jiaby nataonao, maharavo zahay.
Anao Za
ñahary be voninahitra e, mañome anay zaka tsara
Zaka tsara nangatahinay, misaotra Aminao ô
Navotanao zahay olombelona ô, tsy narianao amin'ny fahotana
Ny fahotana izay vitanay: misaotra Aminao
Be ny fitiavanao zahay, o a Baba e
O a e! o a Baba e ia! E e 
Zañahary e ia!

1. Anao niasa ny olombeloño ô! ô!
Nataonao mitovy Aminao ô! ô!
Namianao tayny hipetrahanay e! e!
Zava-boahary mandrakotra azy e ia!
Biby jiaby isan-karazany e!
Misy biby manday amin'ny tany e!

2. Misy masoandro, ny hazavana a!
Mampisaraka ny andro sy ny alina e ia!
Anao mampidôboko ranomasina e ia!
Ireo zaka jiaby miai
ñy ao anatiny e ia!
Ireo tendrombohitra mijoalajoala a!
Izay ipoiran'ny renirano ô

3. Namianao Zanaka lahitokana a!
Andeha hanavotra ny olombelô
ño ô!
Tsy ma
ñavaka sôran'ôlo ô!
Naniraka anay hifankatia a!
Nefa Izy novonoenay e!
Natsanganao Izy tamin'ny maty e!

4. Velom-pisaoraña zahay niany e ia!
Maro fahasoavana nazonay e ia!
Mandra-piala amin'ny tranonao ô!
Kay ravoravo sy falifaly e ia!
Anao Za
ñahary be fitiavana a!
Anao Za
ñahary malala-tañana a!

Nampiditra admin
Sokajy Paka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086