Atolotray anao, Maria

1. Atolotray anao, Maria ê,
 Ny voninkazon'ny fonay; 
Aza aveia handao anao
 Ambara-pahafatinay.

2. Aleonay ho afaka aina 
Toy izay misaraka aminao
 Amin'ny fanaovana ratsy 
Nolavinay imasonao.

Fiv. Mba raiso ny fonay, 
Ry Maria Reninay.

3. Reny 'zay tian'ny fonay ê, 
Tariho ny alehanay;    
Ambeno tsara ny ankizy, `    
Arovy koa ny lehibe.

4. Raha i satàna misarongatra 
Manipy lefona aminay,
Ny tànanao fihantanay ê,
Fa ianao no rovanay
 

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 137
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1146