Kintana e

Kintana e e, Kintana e
Iny atsinanana iny a rô e
Kintana vaovao
Kintana vaovao a rô e
Antson'Andriamanitra
Tongava hijaha (andao e)
Tongava hitsaoka (andao e)

1. Moa ve ianareo a rô e mbola tsy mahalala
Iny kintana iny, kintan'ny Mpamonjy
Ao Betlehema a
rô e teraka ho antsika
Tongava hijaha, tongava hitsaoka e.

2. Efa mitari-dalana iny ireo ampanjakantsika
Zany ny antsiva zany ny hazolahy
Mpanjakan'ny mpanjaka a
rô e
Ny zanak'i Maria
ô 
Dria, dria! Tongava hitsaoka

3. Jesoa zazakely a rô e teraka ho antsika
Lahy! Lahy e! ry Zanak'Andriamanitra
Ny fonay tia Tompo no atolotray
Masina, masina tongava hitsaoka e

4. Ho an'ny avo indrindra a rô e
Dera sy voninahitra
'Sika olombelona, hiadam-pinaritra
Ka ho enin-kasina a
rô e

Ho enin-kavelomana
H
ôzana, hôzana, tongava hitsaoka.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 553
Vavaka sy Hira p. 794
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094