Andeha isika hitsaoka 'zany Mpamonjy vao teraka - Mifalifalia e ry Jerosalema

Fiv:

Andeha isika hitsaoka
'Zany Mpamonjy vao teraka
Nolazain'ny anjely
Izy no ilay nandrasana

1. Mifalifalia e ry Jerosalema
F'ilay Mesia e ao Betlehema
Voninahitra ho an'ny lanitra
Fiadanana eto an-tany

2. Ny feon-dakolosy e miantso avia
Ry mponin'ny nosy e derao ny Mesia ...

3. Ny ali-mangina e dia feno korana
Jesoa ilay  nirina e no fahazavana...

4. Jesoa zazakely e fitiavan'ny Ray
Mpanjakan'ny anjely e derainay...

5. Ho anao Andriamanitra e ny atolotray
Tsy emboka manitra e fa ny fonay...

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 330
Fihirana Dera p. 299
Vavaka sy Hira p. 679
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186