Atolotray anao, ry Jesoa

1. Atolotray Anao ry Jesoa
Ny fonay madio
Raiso k'anjakao
Ho anao mandrakizay

2. Jesoa zoky maminay
Indro ny fonay
Te-ho tia anao
Mandrakizay

3. Malemy sady osa anefa
Ireto zandrinao
Noho ianao hanampy anay
Dia manantena handresy

4. Ny tenanay rehetra
omenay anao
Ho varo-tsy mifody
Ho anao, ry Jesoa

 

Nampiditra admin
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 414
Vavaka sy Hira p. 646
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845