Fahiny, nisy zazavavy (Mb. Jeanne d'Arc)

1. Fahiny nisy zazavavy tsotra
Niandry ondry teny an-tsaha
Nantsoin'Izy Tompo hamonjy
Ny tanindrazany efa ho very.
Nisy feo reny niantso azy:
"Ndeha ry Jeanne, manroaka ny fahavalo"

Fiv

Jeanne ô, jeanne ô,
Ampio 'zahay fa zandrinao!

 

 2. Natoky ny Tompo Razazavavy
Ka lasa nitondra mpiantafika
Nanohitra ery ny fahavalo
Fa resiny daholo izy rehetra
Na dia naratry ny zanatsipika aza izy
Voaaingany ihany ny sainam-pandresena.

 

3- Fa indrisy! nenjehin'ny mpialona izy
Ka voasambotry ny fahavalo
Nalatsaka tao amin'ny fonja ratsy
Ka nohelohina hodoram-belona
Niantso hoe izy anaty afo
"Jesoa, Jesoa", dia afaka ny ainy.

 

4. Ry Jeanne ô, indro mitalaho izahay
Ampio re hanahaka anao:
Ho tia ny tanindrazanay tsy foy
Hanompo azy, hamonjy azy.
Koa raha ilaina, hahafoy ny ainay
Hanavotra azy, hiaro 'zany zony.

 

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Vavaka sy Hira p. 633
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086