Nony nisasaka ny alina dia nisy niantso hoe

Fiv:

Nony nisasaka ny alina dia nisy niantso hoe:
"Inty tamy ny mpampakatra ka mitsangàna re;
Eny mandehana mitsena an'i Kristy
Mandehana ka tsenao i Kristy!"
(Mat.25, 6)

1. Tao anaty haizim-pito re ny foko
No nikatsaka ny endriky ny Tompoko
Nihoron-koditra aho fa maizina ny lalako:
Rahoviana aho no hihaona amin'ny Tompoko?

2. Teo anivom-pijaliana ny fanahiko
No nikaroka ny tanan'Izy Tompoko
Varahontsana aho fa lany re ny heriko,
Rahoviana no hamonjy ahy ny Tompoko?

3. Nobanjiniko 'reo olo-manan-daza
Nantenaiko fa ireo no haneho ny Tompoko.
Hay va re ka ny mahantra tsy mba tazana 
No efa sitrany isehoana sy hotiaviko!

4. Teo anivon'ireo mpianatra aho nikaroka,
Nalahelo fa tsy tazako ny Tompoko.
Kanjo raha nizara mofo niombom-bavaka
Nibaliaka ny hazavana notadiaviko!

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 286
Fihirana Hasina p. 99
Fihirana Vaovao p. 109
Vavaka sy Hira p. 537
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094