Vonjeo izahay, ry Tompo o

Fiv.
Vonjeo 'zahay ry Tompo o
- Vonjeo 'zahay e,
Manonja be ny ranomasina e
- vonjeo 'zahay e,
Vonjeo zahay e e
- Vonjeo 'zahay e,
Aza avela ho very e
Fa matoky anao

1. Ny alina indro fa tamy
Ny haizina efa mandrakotra
Irery izahay e
Ny rivotra mifofofofo
Ny rano misamboaravoara
Hitelina anay e

2. Mba miady anie ka mivoy
Miezaka handresy ny onja
Ny lakana hazo marefo
Ny rano tsaroana fa lalina

3. Marisika anie ny fanahy,
Ny nofo tsaroana fa osa
Matahotra loza sy aretina
Indrindra ny fahafatesana.

4. Manaloka ity tanindrazana
Ny haizin'ny fankahalana
Ny vola no tena tompona
Manjaka ny fitiavan-tena

5. Ny mpianatra voaangonao anie
Voaenjika sady ilaozana
Ny sambon'ity Fiangonana
Atotan'ny onja aman-drivotra

6. Ny rivotra mbola hisava
Ny onja, tsy ela hitony
Ry kely finoana
Tsarovy ny sambon'i Piera
Izaho Jesoa Andriamanitra
Eto aminareo e.

 

Nampiditra admin
Vavaka sy Hira p. 534
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087