Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana

1. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e. (indroa)
Hanatontosa ny lahatra, n'lahatr'Andriamanitra Ray e:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Nampihavana antsika taminy indray ka nandefa ny Zanany e:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,

Izy no tia mialoha, ka naniraka ny Zanany
Mba hisolo voina antsika, mba ho solon'ny mpanota:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa)

Ataovy antso avo ny hafatry ny Tompo, 'lay dinam-pitiavana e:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Izay tena tia no mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany e...
Misy afo mandoro ao anatiko ao, hoy ny Tompo nanafatra:
Ny hielezan'izany amin'izao tontolo no faniriako e.

Tsia, tsia,
Tsy ho safotry ny ranobe akory ny fitiavana.
Eny e, Tompo ô,
'Ty aho iraho hampiray ny olombelona. (indroa)

2. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa)
Aza mitia eo amin'ny molotra, kobaka am-bava izany e,
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Tiava amin'ny asa tokoa sy am-pahamarinana,
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,

I Kristy no taratra, nitia hatramin'ny farany,
Tsy nitsitsy ny ainy koa mba hanaovantsika izany e,
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e. (indroa)

Torio amin-kira, amim-pifaliana izay nandidiany:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Ho fantatra fa mpianany isika raha mifankatia...
Tsy misy olon-kafa isika mianakavy fa mpiray tampo e,
Taranak'i Kaina avy amin'ilay Ratsy izay mankahala.

3. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa)
Ny fitiavana tsy ho ritra toa loharano velona:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Tsy ho levona mandrakizay, tsy hanam-pahataperana:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,

Eny, mahery tahaka ny fahafatesana izy,
Manana endrika ny afo, lelan'afon'Andriamanitra
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa)

Ireo ranobe tsy hahefa mamono ny herim-pitiavana:
Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e,
Ireo renirano, ony manonja, tsy hahasafotra azy...
Ny herin'ny haizina mpankahala tsy hahatohitra azy:
Ny Zanak'Andriamanitra hany mpitondra herim-pahafahana.

Nampiditra Momake
Fihirana Dera p. 282
Fihirana Hasina p. 308
Fihirana Vaovao p. 542
Vavaka sy Hira p. 788
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207