Ny hirako anio

1.  Indray mipi-maso sy mandala vetivety
Izay no mba fiainako ety
Indray andro monja poa toa izay
Dia tsy hita intsony fa mihelina,
Fantatrao ry Raiko ô,
Ny ahafahako mitia Anao ety
Adroany ihany aloha satria
Tsy manana hafa afa-tsy anio aho.
Tiako Ianao ry Jesoa ô,
Maniry anao re ny fanahiko
Indray andro ihany, mba aoka Ianao
Aoka Ianao no hianteherako



2.  Anilan’ny fonao ry Tompo tsara ô,
Tsy misy dikany ny manodidina ahy
Tsy ahoako intsony izay alina mikitroka,
F’ianao no miharo tsy matahotra aho
Ry Jesoa ô, omeo toerana aho
Ao amin’ilay fona madio tokoa
Androany ihany aloha satria
Tsy manana hafa afa-tsy anio aho.
 
3.  O ry ilay Mofo avy any an-danitra,
Eokaristia mamiko tokoa,
Ilay Mistery tena ambony indrindra
Vokarin’ilay Fitiavana
Avia monena ato am-poko,
Jesoa Hostia fotsy madio tokoa,
Androany ihany aloha satria
Tsy manana hafa afa-tsy anio aho
Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2123