Ny atao hoe tia

Ny atao hoe tia
d’ireo afaka manome
Manome ny zava-drehetra
Ary mahafoy ny tenany


1.  Na dia miteny amin’ny fitenin’olona
S’ireo anjely aza aho
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Varahina sy kipantsona
Izay mikarantsana (x2)
 
2.  Raha maminany ary koa mahafantatra
Ny zava-miafina aza aho
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia tsinontsinona aho satria
Tsisy heviny ny ataoko (x2)
 
3.  Na hozaraiko amin’ny mahantra aza
Ireo harenako eto an-tany
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia zava-poana ihany (reny,
Hebohebon’olona (x2)
 
4.  Na dia atolotro ho dorana daholo
‘Ty vatako ity mba ho kila
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia tsy misy liana izany
Fa ho very maina ihany (x2)
Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3786