Miakara amy toerana ambony dia ambony

(Iz. 40, 9-11)

1- Miakara amy toerana ambony dia ambony
Ianao 'zay mitory Vaovao Mahafaly,
'Lay hafatra soa ho an'ireo ao Siôna ;
Ataovy antso avo ho renesim-bahoaka
Ianao 'lay mpitory Vaovao Mahafaly
'Lay hafatra soa ho an'i Jerosalema.

2- Esory ny tahotra, akaro ny feo,
Lazao amy vohitra ao Joda hoe :
indro fa tonga ny Tompo Nahary,
'Lay Tompo Mahery Andriamanitrareo.
Ny herin'ny sandriny ampinga handreseny
ho enti-manangana ilay fanjakany.

3- Ireo valisoany dia manaraka azy,
ny sandan'ilay fandreseny anoloany.
Tahaka ny mpiandry izy miandry ny ondriny :
angoniny ireo zanak'ondry rehetra,
trotroiny izay kely sy mbola minono,
ireo reniondry roahiny mora.

Nampiditra raerband
Sokajy Fiaviana - Fidirana
Ankalazao ny Tompo p. 309
Fihirana Hasina p. 57
Fihirana Vaovao p. 6
Vavaka sy Hira p. 404
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091