Nahoana ianareo no gaga

Nahoana ianareo no gaga
mibanjina ny lanitra eto,
Ry lehilahy avy any Galilea
ry lehilahy avy any Galilea?
Fa toy ny isandratany iny 
miakatra any an-danitra
No hiverenan'i Jesoa Tompo indray,
No hiverenan'i Jesoa: aleloia, aleloia (Asa. 1, 11)

(Sal. 46)

1. Mitehafa tanana, ianareo vahoaka
Hiram-pifaliana no venteso re
Tompo mahatahotra 'lay Andriamanitra
Fa mpanjaka lehibe hotompoina.

3. Fa vahoaka marobe no nataony ambaninay
Fokom-pirenena re efa resinay
Nofidiny ho anay 'lay anjara lovanay
Reharehan'i Jakoba olon-tiany.

3. Hobin-kafaliana feon'anjomara re
No iakaran'i Kristy, isandratany
Miantsà sy mihobia ho an'Andriamanitra
'Lay mpanjaka Tompontsika no misandratra.

4. Izy no mpanjaka anie, azy izao rehetra izao
Ka hobio, ankalazao ny anarany
Anjakany avokoa ny vahoaka an-tany aty,
Iny lanitra iny kosa fiketrahany

5. Ny anriam-bahoaka miaraka amintsika izao
Mankalaza an'i Kristy Andriamanitra:
Ho anao irery 'zany tononkiranay 
Zanahary Tomponay tafasandratra.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Vavaka sy Hira p. 283
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093