Mba sambatra ireo 'zay voafidinao, ka honina ao an-dapanao

Sas: Mba sambatra ireo 'zay voafidinao
Ka honina ao an-dapanao.

(Sal. 14)

1. Tompo ô, iza no hiantrano ao an-dapanao.
Zovy no honina ao am-bohitrao masina?

Izay mizotra tsy aman-tsiny
ary mitandro ny rariny.

2. Milaza izay tena ao am-pony
Tsy mamitapitaka;
tsy manisy ratsy ny namana
na manebaka ny mpiara-monina

3. Tsy manao ny olon-dratsy ho zavatra
fa manaja ireo matahotra ny Tompo,
tsy mivadika amin'ny teny nomena
na dia izay ahitany fahavoazana.

4. Tsy mampanjana-bola
na mandray kolikoly hahavoa ny olo-marina.
Izay manao izany
tsy hihontsona na oviana.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 191
Vavaka sy Hira p. 255
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094