Nijoro teo am-pototry ny hazo nifantsihan'i Jesoa i Maria Reniny

Nijoro teo am-pototry ny hazo
Nifantsihan'i Jesoa i Maria Reniny.
(Jn. 19, 25)

(Sal. 126)

1 Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano e,
 Zary miasa foana 'zay manorina azy ireny;
 Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna e,
 Zary miandry foana ny mpiambina mitily.
 
2 Eny, sasa-poana ianareo miari-tory,
 Taitra vao maraina nefa zara raha mba voky.
 Hafa ny olon-tiany, fa matory tsy manahy;
 Mbola eo am-pandriana dia tolorany sakafo.
 
3 Indro koa ny zanaka fa lova avy amy Tompo,
 Valisoa tokoa anie 'reo menaky ny aina!
 Hery ny tsipìka eny an-tanana mpiady,
 Hery koa ny zanaky ny fahatanorana!
 
4 Sambatra 'zay nahefeno kotra tam'ireny,
 Sambatra satria mahazo toky fa handresy:
 Tsy hitsanga-menatra raha misy fahavalo,
 Hiharihary marina tokoa ny fandreseny!
 
5 Saotra no atolotra ny Ray miahy antsika,
 Dera ho an'ny Zanaka 'zay eo anivontsika:
 Ary ny Fanahy 'zay itsofan-drano antsika,
 Aoka hoderaina amin'ny asa vitantsika.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 393
Fihirana Vaovao p. 321
Vavaka sy Hira p. 362
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095