Fandalovana atý, lanitra honenako

1- Fandalovana atý, lanitra honenako:
efitra 'zao tany 'zao, lanitra honenako;
voahodidin-doza aty, reraka ao an-dalana,
valaka sy sasatra, lanitra honenako

2- Na mandrivotra aza aty, lanitra honenako;
tany no hilaozako, lanitra honenako;
alon-dranomasina sy rian-dranobe
tsy hisakan-dalana: lanitra honenako

3- Ao an-tratran'i Jesoa, lanitra honenako;
afa-pahoriana, lanitra honenako:
ao ny olomasina 'zay mba tiako taty,
faly raha hitako: lanitra honenako

4- Dia tsy halahelo aho, lanitra honenako;
mafy ny manjò aty, lanitra honenako:
ao no hitoerako, faly anatrehan-dRay,
ao homeny toerana: lanitra honenako

Nampiditra nante75
Sokajy Samihafa
Fihirana Vaovao p. 433
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0486