Zañahary e, navy eto zanakao

Zañahary e, navy eto zanakao:
Hanamia hasiny ny Anaranao,
Ary koa hanolotra amin-kafaliana
'Reto asan-tananay aminao.
Na tsy mendrika aza izahay
Mañatriky eto mikaiky ny Anaranao,
Mba raiso re ireto fanatitray e ia! (indroa)
          Mpitarika: o ia e e ia e! (indroa)
          Vahoaka: Ankasitraho re, a Baba!
 
1 Ny mofo sy ny divainay e,
 'Zay atolotray ho anao,
 'Zay vokatry ny asan-tananay e;
 Fa amim-pitiavana tokoa e ia
 N'anoloranay zeñy aminao e ia:
 Ankasitraho e ia! (indroa)
 
2 O ia e e ia e!...
         Ankasitraho re, a Baba,
 Ny asa vitanay aminao,
 'Zay aterinay aminao,
 'Zay vokatry ny hatsembohanay e;
 Fa am-boninahitra tokoa e ia
 N'anoloranay zeñy aminao e ia:
 Ankasitraho e ia! (indroa)
 
3 O ia e e ia e!...
         Ankasitraho re, a Baba,
 Ny ezakay isan'andro,
 'Zay hasandratray ho Anao,
 'Zay vokatry ny firaisanay e;
 Fa am-panajana tokoa e ia
 N'anoloranay zeñy aminao e ia:
 Ankasitraho e ia! (indroa)

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 804
Karine Dera p. 518
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094